🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.

🛩️ *Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.

EDITO : Voankazo an’Ala

Lasibatra !

Vao herinandro lasa izay no nahamaizan’ny valanjavaboaharim-pirenena tao Isalo. Izao indray ity nisy sokatra amam-jatony tratra saika haondrana an-tsokosoko any ivelany. Voalohany, mahakasika ny tontolo iainana sy ny harem-pirenena daholo ireo. Faharoa, ny faritra atsimon’ny Nosy iny no lasibatra voalohany satria voakasika mivantana. Raha mbola asiana fanintelony aza dia samy nahitana trangana heloka tao anatiny ary nisy olona voasambotra. Tranga efa matetika mpiseho koa ireo, na io mahakasika ny fahamaizana na fandoroana ala sy valanjavaboahary arovana, na koa ity fanondranana an-tsokosoko sokatra ity. Raha tsy dia mazava loatra ny anton’ny mahatonga iry voalohany na hasomparana na inona, dia fantatra kosa ny anton’ny faharoa. Misy resaka vola ao ambadik’ity fanondranana sokatra an-tsokosoko ity, ary volabe fa tsy volakely. Tsy vitan’izay fa misy tambazotra koa miara-manatanteraka ity fikasana hanondrana sokatra an-tsokosoko ity. Izany hoe olona maromaro no miray tsokombakomba amin’ny fanatanterahana azy. Izay indrindra no mahasarotsarotra ny ady atao aminy satria karazany efa fikambanana matanjaka. Misy vahiny ao anatiny ary misy teratany malagasy koa tafiditra ao. Tsy ferana koa aza hoe mety misy tompon’andraikitra na mpiasam-panjakana miray antoka amin’izy ity satria raha olon-tsotra fotsiny sarotsarotsarotra ny hahatafavoahan’ireny sokatra ireny any ivelany. Izay antony mbola mety tsy maha-fongotra tanteraka azy io. Efa tsara aloha ny nanambaran’ny mpitondra fa ny famongorana io tambazotra io no tsy maintsy hatao

Mandrato

23 Août 2024

Fitaterana an-tanety


Mahasarika mpizaha tany vahiny ny taksibrosy fa ilàna fanatsarana

Vanimpotoana mbola maha-betsaka ny mpizatany eto Madagasikara izao. Mahasarika mpizaha tany vahiny koa ny mandeha amin’ny taksibrosy, saingy misy ny fanatsarana tokony hatao. Mikasika izay dia toy izao ny resadresaka nifanaovana tamin’ny Tale Jeneraly Lefitry ny Gare routière Makis Andohatapenaka Fidy Ranaivoson.

Voandalana Ami du Voyageur (VAV): Mba misy mandeha amin’itony (taksibrosy) ihany ve ireny mpizaha tany vahiny avy any ivelany ireny ?

Tale Jeneraly Lefitra (DGA) : Ny toerana sahala amin’izao anie, ary izay no tombony ho an’ny garan’Andohatapenaka, eo aloha ny filaminana ato anatiny. Izany hoe ny mpandeha matetika isika ilay fandehanana foana no resahina. Fa ny mpandeha tokony hoe alohan’ny fiaingana, mandritra ny fiaingana, dia aorian’ny fiaingana. Izay izany tokony apetraka foana ho an’ilay mpizaha tany. Dia matetika ilay tena tian-dry zareo àry ilay toerana sahala amin’ity. Satria ahafahany mahita an’ilay…zava-misy eny amin’ny lalana, mahita kokoa, dia misy tokoa ireo vahiny, misy karazany maro mihitsy.

VAV : Dia fotoana, vanimpotoana inona no mety hoe misy mpizaha tany vahiny betsaka mandeha ?

DGA : Ny fotoana hoe misy betsaka angamba dia ny fotoana sahala amin’izao. Manombokaa volana jona, jolay eo. Fa eo no manomboka maromaro izy izany amin’izao fotoana izao. ? Mifanohitra amin’izay, any amin’ny volana desambra, misy fa vitsy.

Eny an-dalana

VAV : Inona no azo tenenina izany ho an-dry zareo ireny raha sendra hoe mahita an’ity vaovao ity. Misy hafatra ve…manome antoka tsara an-dry zareo ve ?

DGA : Ny fijeriko aloha-ary izay no tena hoe hitako tokony hojerena akaiky-ho an’ny eto an-toerana moa izany no tiako tenenina ny resaka lalana satria mitana anjara toerana lehibe ho an’ny fizahantany ny lalana. Ny lalana satria ahafahana mahita ny zava-misy marina. Fa na izany na tsy izany ary, hitako ny tena mbola tsy ampy amintsika koa dia ilay resaka eny amin’ny lalana : « restaurant », na hotely na hôtel, tsy fantatro, dia resaka « toilette » moa izany no hitako hoe tena mampijaly an’ireo vahiny. Dia iny angamba no tokony hojerena akaiky mihitsy eto Madagasikara, ohatrohatra ny ahoana… ? Ilay izy mety ho sarotra ny fanatanterahana azy fa fiezahana ilay izy. Satria ilay fijeriko azy ho an’ilay any an-toerana manana ny enti-manana ihany ilay « restaurant », fivantanana, na ilay hôtel, na hotely. Fa indraindray isika manavaka kokoa hoe zavatra ambany dia maloto, dia manarakaraka an’izay koa ilay toerana tokony handehanana. Tokony hoe zavatra mba mendrika izany e ! Tokony hojerena mihitsy. Izay ilay resaka eny an-dalana. Fa ao anatin’izay koa ilay resaka lakozia koa izany. Izay koa no mampijaly an’ireo mpizaha tany vahiny ireo. Ilay lakozia fisakafoanana eny amin’ny lalana tokony mba misy izany(ho an’ny eto an-toerana izay hafatra izay). Tokony mba manarakaraka eo amin’ny resaka fahadiovana. Na ny lakozia fotsiny aza tokony mba manaraka ny fenitra(Izaho tsy miteny resaka sakafo aloha fa resaka fahadiovana), izay no tena hitako hoe mampijaly an’izy ireo.Dia manarak’izay ny « confort » anatina fiara, iny no tokony hojerena foana hoe tokotokony ohatry ny ahoana. Satria mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny resaka fampandrosoana ny fizahantany eto Madagasikara, na fizahantany eto an-toerana io, na avy any ivelany.

Description de l'image
« Hitako ny tena mbola tsy ampy amintsika koa dia ilay resaka eny amin’ny lalana », hoy ny DGA Makis Andohatapenaka Fidy Ranaivoson
Description de l'image
Fandraisana ny mpandeha eny amin’ny Gare Makis Andohatapenaka
Description de l'image
Itarafan’ny mpizaha tany vahiny an’i Madagasikara koq ny zava-misy ety amin’ny Gara Fasan’ny Karana

Ral

23 Août 2024

Commentaires